4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voan-drongony - Lolo sy ny tariny

Nirehareha Raolombelona iny
Fa sendra sendra tody
Teny amin'ny volana

   Efa maro be ny zava-bitany
   Fa misy iray mbola tsy hitany
   Mbola tsy hitany ny fanafodin'ny
   Tsy mampirotsaka tomany
   Mbola tsy hitany ny fanafodin'ny
   Tsy mampody ambanin'ny tany

(Odin-drafahafatesana io
Ody maha ela velona azy)2

   Misy voankazo ao avaratra ao
   Maha be fahotana sarotra levona
   Izay mihinana azy bedibedy foana
   Bedibedy lava bedin-drafanjakana

Izay mihinana azy tsy mety maty intsony
Fa maharitra eto an-tany
Izany voankazo izany tsy inona akory
Fa voan-drongony ihany

   Odin-drafahafatesana io!
   Nefa finona ihany izany
   Odin-drafahafatesana io!
   Tsy izaho no nilaza izany

Partager voan-drongony

Commenter voan-drongony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite